<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Mifankatiava tsara,
 Jeso no mampihavana,
 Fa Izy no alalantsika
 Amin'Andriamanitra.

[V3]
 Mifankatiava tsara,
 Mba hahatsara antsika,
 Fa fototry ny didiny
 Sady anton'ny lalàny.

[V4]
 Hitsahatra finoana
 Mbamin'ny fanantenana,
 Nefa ny fitiavana
 Haharitra mandrakizay.

[V5]
 Mifankatiava tsara,
 Tsy maharatsy namana,
 Ary tsy mahatezitra
 An'Andriamanitra koa.</lyrics>
<title>Mifankatiava tsara FFPM536</title>
<hymn_number>536</hymn_number>
</song>